Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-2

1 Nony efa akaiky ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Salomona zanany izy, nanao hoe:

2 Handeha amin'ny làlana falehan'ny tany rehetra aho ity, ka mahereza hianao, misehoa ho lehilahy. 3 Tandremo ny fanompoana an'ny Tompo Andriamanitrao, fa araho ny làlany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsìpika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Moizy, mba hahomby hianao amin'izay hataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao, 4 ka dia hotanterahin'ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe: Raha mitandrina ny diany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra, dia tsy ho lany taranaka ho eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hianao. 10 Dia nandry any amin'ny razany Davida, ka nalevina tao an-tanànan'i Davida.

11 Efapolo taona no andro nanjakan'i Davida tamin'Israely, ny fito taona nanjakany tany Hebrona, ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema. 12 Ary Salomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy, ary niorina tsara ny fanjakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1294